»  17.06.15| Coopération bilatérale entre Ilampy et l’ONG Namana club JAPON  »  01.06.15| Football – COSAFA Cup : Les Barea à la 3e place

 

Fanahy Maha Olona Ambatolampy 28-29 12 2013

Efa maro ireo asa sosialy nataontsika raha tsy hitanisa afa-tsy ny fizarana bodofotsy ho an'ireo zokiolona sy beantitra, fitsidihana ny orphelinat de police, fitsidihana ny fonja, fizarana ronono ho an'ny reny sy ny zaza...

Ka hotohizantsika amin'izay izany satria ny antsika dia Fampandrosoana ifotony no hatao, koa ny Alahady 29 Desambra 2013 ary dia hizara ireo akanjo nangonin'ireo mpiray tanindrazana amintsika monina any andafindriaka isika ka eo Antanimarina no hanombohana izany ary hiezaka hitety ireo sahirana rehetra isaky ny Fokontany isika, ny Alatsinainy 30 Desambra 2013 dia hanolotra ordinateur ho an'ny Fokontany Ambodiriana-Haras isika, tsy ho diso anjara ireo Fokontany hafa fa mandeha tsikelikely ny asa soa, koa manentana antsika rehetra ary amin'izany hetsika izany mba hiara hifarimbona satria Tanindrazana iraisana Ambatolampy 104 ary Gasy iray ra amintsika ireo sahirana ireo : Mankasitraka Tompoko ary isaorana manokana eto ireo mpanome tanana izay tsy ho voatanisa eto, ny KAFE SERA moa dia mitohy hatrany sy ny fampahalalana ny tetik'asa IRAF : " Ilampy Radio Appui-Conseils et Formation"
Ambatolampy

Tahina Randrianarisoa
Filohan'ny Fanahy Maha-olona Ambatolampy

Mankasitraka feno anareo Fanahy Maha-olona Ambatolampy 104, izay notarihan’ny filoha Tahina Randrianarisoa, fa vita soa aman-tsara ny asa soa rehetra izay nataontsika nanomboka ny Asabotsy teo ka nofaranana androany tamin'ny fanolorana solotsaina ho an'ny fokontany Ambodiriana.
Ambatolampy
Andriamanitra homba antsika mianakavy ka samy ho tratran'ny taona vaovao 2014 daholo isika rehetra ary hitombo ny fitiavantsika ny tanindrazantsika ka samy hitondra izay azony entina hampandrosoana ifotony ny tananantsika. Mankasitraka feno an'ireo malala-tanana rehetra nanampy izay tsy ho voatanisako eto fa ho teneniko tsikelikely eny amin'ny sary eny, mankasitraka feno tompoko ary hitohy hatrany ny fiaraha-miasantsika.
Ambatolampy

Fanolorana solotsaina ny filohan'ny fokontany Ambodiriana

Ambatolampy

Fiarahana misakafo nataon'ny Fanahy Maha olona Ambatolampy