»  17.06.15| Coopération bilatérale entre Ilampy et l’ONG Namana club JAPON  »  01.06.15| Football – COSAFA Cup : Les Barea à la 3e place

 

FANOKANANA NY FANAHY MAHA OLONA ANTSIRABE

Fanahy maha olona : tafajoro ao Antsirabe



antsirabe-5.jpg

Tamin’ny asabotsy lasa teo, nijoro ara-dalàna ao amin’ny foibeny ao Ambalavato ny fikambanana Ny Fanahy maha olona. Araka ny nambaran-dRakotonirina Gaston, filohany najoro hamelomana indray ny fahendrena malagasy teo aloha izay nandala indrindra ny fiarahamonina tsy nisy raorao ny fikambanana.

Tao anatin’ny fifanajana, ny fifampitsinjovana ny fahamarinana sy ny fifanampiana izany fiarahamonina izany, taloha. antsirabe.jpg
antsirabe-2.jpg Amin’izao fotoana izao, tsy hita firy intsony izany eo amin’ny fiarahamonina malagasy fa efa nosoloin’ny «Samy mandeha samy mitady».

Fahavalo sy vato misakana ny fampandrosoana izany ka ny hanarina izany lesoka izany, izay miainga any amin’ny fokonolona isam-pokontany no tanjon’ny Fanahy maha olona.

Hanandratana indray ny soatoavina malagasy eo amin’ny seha-pihariana sy ny fiarahamonina no antom-pisian’ny fikambanana.

antsirabe-3.jpg

Marihina fa narahina hetsika ara-tsosialy tamin’ny alalan’ny fizarana bodofotsy ho an’ireo olona sahirankirana, eo an-toerana, izao fananganana ny fikambanana Fanahy maha olona izao.

Source : NEWSMADA -Jeudi, 25 Juillet 2013 - Jeannot Ratsimbazafy