»  17.06.15| Coopération bilatérale entre Ilampy et l’ONG Namana club JAPON  »  01.06.15| Football – COSAFA Cup : Les Barea à la 3e place

 

SONIA ROA SAMIHAFA NO NOTANTERAHANA TETSY AMIN’NY FACULTE DE MEDECINE FARAVOHITRA

SONIA ROA SAMIHAFA NO NOTANTERAHANA TETSY AMIN’NY FACULTE DE MEDECINE FARAVOHITRA HO FIARAHA-MIASA AMIN’ NY NIMS UNIVERSITY ATSY INDE Jaipur Notanterahana androany maraina tetsy amin’ ny faculté de Medicine de l' université Faravohitra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa eo amin’ ny HOMI sy ny NIMS hospital University atsy Inde, izay nosoloan’ ny Jeneraly RAJAONARISON Pascal avy amin’ ny HOMI ary Profesora Balvir S. Tamar kosa avy amin’ ny NIMS Hospital university.

Ny NIMS dia hamatsy fitaovana ( radiothérapie ) ny HOMI izay hitiliana sy hitsaboana ny homamiadana. Mitentina million de dollars ireo fitaovana ireo hoy Ny Rado RAFALIMANANA izay nitondra ny tompon' andraikitry ny NIMS university teto Madagasikara. Matianina ireo fitaovana izay avy any Amerika ka hisy ny olona mahay mifehy izany fitaovana izany ho tonga hampianatra sy hampita fahaizana. Telo taona farafaelany no hijanonan’ ny vahiny rehefa vita ny fampitana ary ny fifehezan’ ny malagasy ireo fitaovana ireo .
Farany, vita ihany koa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ ny faculté de Medicine de l’ université etsy Faravohitra sy ny NIMS faculté de medicine atsy Inde.




Source | Infomada.com | Nirina RAKOTOMIARINTSOA | 05.05.2014